
“Fotoana izao hanamafisana indray ny antso izay efa nataon’ireo namana mpanao politika mpanohitra rehetra tany aloha ny tokony sy tsy maintsy hamondrona ny herin’ny antoko mpanohitra rehetra eto Madagasikara.”
Io ny kabarin’ny filohan’ny Freedom, Rakotondrazafy Lalatiana, tamin’ny fanombohana ny taom-pikatrohan’ny antoko teny Antanimena, omaly. Mila miteny amin’ny feo iray ny mpanohitra, mila mampandefitra ny hambompo sy ny adilahy, mila mampitambatra ny hery hanehoany fa tsy momba ary tsy azo ekena intsony ny zava-misy ankehitriny.
“Manaitra ny fiombonambe iraisam-pirenena fa tsy tokony hatao takalon’aina amin’ny fahamarinan-toerana politika ny fiainan’ny vahoaka malagasy 22 tapitrisa”, hoy izy.
Mijoro ho mpanohitra ny Freedom
Tsy afa-kiray tsikombakomba amin’ny fitondrana misy ankehitriny ny antoko Freedom, araka ny nambarany. Izay no ilazany fa manasokajy mazava ny tenany ho antoko mpanohitra ny Freedom, ary mijoro tsy am-pihambahambana ho mpanohitra tanteraka ny fitondrana mijoro. Toherin’ny antoko ny fanapotehana ataon’ireo olom-bitsy mihodinkodina amin’ny faribolan’ny mpitondra, ka mangoron-karena sy mameno paosy. Manadino tanteraka ny tombontsoam-bahoaka izy ireo amin’izany.
Toheriny koa ny fanjakazakana sy ny fandikan-dalàna ka anaovana tsikombakomba mahazatra ny fandikan-dalàna. Tsy asiana hasiny na ny lalàmpanorenana aza. Manohitrra ny fomba fitantanana mifototra amin’ny kiantranoantrano, ny kolikoly avo lenta, ny tsy ny rariny sy ny tsy fahamarinana koa ny antoko.
R. Nd. /Sary : Fanou
Les commentaires sont fermées.