
Manerana ny Nosy mihitsy ny habibiana atao amin’ny tovovavy. Tovovavikely iray vao 14 taona, kilasy fahatelo amin’ny CEG any an-toerana ny niharan’ny fanolanana sady mbola novonoin’ireo olon-dratsy. Omaly maraina ny nahitan’ny olona ny fatin’ilay tovovavy tanaty lobolobo. Tsy fantatra ny nahavanon-doza, mandeha ny fanadihadiana.
Ny ben’ny Tanana, Morainjara Donit Florent, sady talen’ny sekoly no mametraka fitoriana amin’ny nahavanon-doza ary milaza ny tsy hanaiky hatramin’ny farany.
Trangam-piarahamonina mahazo vahana ny fanolanana sy famonoana ankoatra ny fitsaram-bahoaka. Ny krizy, ny zava-miseho amin’ny haino aman-jery matetika mahatonga ny tranga toy izao mirongatra. Eo ihany koa ny fitaizain’ny ray aman-dreny, ny sekoly, ny fiangonana izay tsy tafapaka amin’ny tanora, ka mahatonga azy ireo hanaotao foana. Miandry ny tohin’ny famotorana ny rehetra.
Yves S.
Les commentaires sont fermées.