Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Basikety – «Amboaran’ny filoha» : famaranana kely ny an’ny MB 2 All sy ny TMBB

Basikety – «Amboaran’ny filoha»  : famaranana kely ny an’ny MB 2 All sy ny TMBB

 Hangotraka ny fihaonana ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny “Amboaran’ny filoha”, taranja basikety, sokajy lehilahy. Anisan’ny goavana ary andrasan’ny rehetra ny fifandonan’ny samy ekipan’Analamanga.

 

Hifantoka etsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, amin’ity alakamisy ity, ny sain’ny mpitia basikety rehetra eo amin’ny fiatrehana ny ampahefa-dalana, amin’ny fiadiana ny “Amboaran’ny filoha”. Hanamarika izany ny fihaonan’ny samy Analamanga, ny TMBB sy ny MB 2 All.

Hiendrika famaranana kely ny fifandonan’izy ireo, izay ekipa diso mifankalala tsara. Fanintelony amin’izao no hihaona izy ireo, tato anatin’ny roa volana. Nitovy ny isan’ny fandresena  hatreto, ary tsontsori-mamba isarahana ity.

Marihina fa voalohany tao amin’ny sokajy “A” ny TMBB rehefa nahavita lalao telo. Nandresy indroa sy resy indray mandeha, ary manana isa 5. Fahefatra, tao amin’ny vondrona “B”,  kosa ny MB 2 All, izay resy intelo misesy.

 

Lalaon’ny mpanazatra

Heverina kosa fa mety ho lalaon’ny mpanazatra ny an’ny Cospn sy ny Ascut avy any Atsinanana. Hatreto aloha, sahirankirana ny Ascut  nandritra ny fifanintsanana. Na izany aza, mety efa manomana taktika vaovao izy ireo hiatrehana ny mpifanandrina aminy. Ny Polisy, izay nitana ny laharana voalohany ary mbola vonona handavo izay rehetra mifanehatra aminy.

Ry zareo Cosfa (Bebaoty) kosa, hanohitra ny ASCB Boeny, izay manana mpilalao kinga sy havanana. Raha ara-taratasy aloha, manantombo ry zareo Boeny, saingy mbola ady io. Ny Zandary avy any Vakinankaratra indray, hifampitana amin’ny SBBC Boeny. Lalao heverin’ny rehetra fa tena hisehoan’ny fahaiza-manaon’ny mpilalao satria samy manan-talenta ny andaniny sy ny ankilany.

Eo amin’ny vehivavy, hifanandrina ny Tamifa Amoron’i Mania sy ny CRJS Atsinanana ary adin’ny samy Analamanga ny an’ny MB 2 All sy ny Fandrefiala.

Tsiahivina fa mpanohana ofisialy ny fifaninanana ny Telma malagasy.

Torcelin

Les commentaires sont fermées.