
Notanterahina, tany Toliara ny asabotsy 1 avrily lasa teo, ny hazakazaky ny firahalahiana sy ny fiaraha-mientana ho fanamarihana ny faha-60 taona nijoroan’ny Canps. Nahatratra 3 500 mahery ireo tonga nandray anjara, araka ny fanambaran-dRakotomila, talen’ny fitantanana sy ny lafiny vola eo anivon’ny Tahirim-pirenena momba ny sosialy. Nampiavaka ity andiany fahadimy, natao tany Toliara, ity ny fampandraisana anjaran’ireo kara-pilalaovana. Saika norombahin’ny atletan’ny Cnaps ny ankamaroan’ny medaly, tamin’io sokaky io.
Nanotrona ny fihaonana ny tale jeneralin’ny Cnaps, Rabekoto Arizaka Raoul niaraka tamin’ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Cnaps sy ireo manam-pahefana ara-panjakana any an-toerana. Dingana manaraka ny andiany fahenina hatao eto Antananarivo izay hanakatona ihany koa ny fankalazana. Marihina fa nahazo “tee-shirt” avokoa ireo mpandray anjara rehetra.
Torcelin
Ireo voka-dalao rehetra :
– Sénior lahy : Jean de La Croix
– Sénior vehivavy : Rabola
– Junior lehilahy : Raharimanandray Jean François
– Junior zazavavy : Christiane
– Cadet : Christian Etienne
– Cadette : Sitrakiniaina Manampy
– Veteran lehilahy : Alexandre Pitike
-Veteran vehivavy : Marguerithe Georgine
– Manankilema lehilahy : Vazamana Manahira
– Manankilema vehivavy : Franckline Martinah
– “Relais” lehilahy : Avisoa
– “Relais” vehivavy : Angelah Alphine
Les commentaires sont fermées.