
Valiha, zavamaneno mampiavaka ny Malagasy, ahalalana an’i Madagasikara any ivelany ihany koa. Ako Miantefa, fikambanana ara-kolontsaina miezaka ny hampivelatra eto an-toerana sy hatrany ivelany ny zavakanto malagasy sy ny talentan’ny Malagasy. Fantatra, omaly, fa hampitombo ny ezaka efa nataony momba ny tontolon’ny valiha ity fikambanana ity. Hampiditra ny andiany faharoa amin’ny mpianatra handalina momba ny fitendrena valiha miaraka amin’ny solfezy ry zareo, ny 29 avrily izao. « Afaka mianatra izay manam-pahavononana hanome lanja ny zavakanto malagasy », hoy ny tompon’andraikitra.
Ankoatra io fampianarana valiha io, ho fanomezan-danja ny valiha hatrany, hampitomboina ny valiha fitendry amboarina eo anivon’ity fikambanana ity mba ho afaka hamaly ny filan’ny tsena eto an-toerana sy any ivelany. « Na olon-tsotra, fikambanana, fiangonana, orinasa, sns, eto an-toerana sy any ivelany, ka mila valiha fitendry, afaka manao izany ny Ako Miantefa », hoy hatrany ny tompon’andraikitra teknika eo anivon’ny fikambanana.
Fantatra fa ao amin’ny Institution FJKM Rainandriamampandry no misy ny toeram-pampianarana valiha manaraka solfezy lehibe indrindra eto Madagasikara, iandraiketan’ny Ako Miantefa.
HaRy Razafindrakoto
Les commentaires sont fermées.