Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra : namangy an’i Deba Kely ny minisitra Jean Anicet

Tonga nijery sy namangy an-dRambeloson Toavina (Deba Kely), mpilalaon’ny Barea de Madagascar, tetsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha, ny talata lasa teo, ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Andriamosarisoa Jean Anicet. Nankahery ary nitondra lelavola 1 tapitrisa Ar ho fanampiana azy amin’ny fitsaboana sy izay mety ho fikarakarana rehetra ny tenany. Nisaotra sy nankatelina ny fihetsika nataon’ny minisitra Jean Anicet ny ray aman-drenin’i Toavina izay niangavy mba hampita ny hafatra any amin’ny filoham-pirenena ihany koa. Nangataka tamin’ny minisitra i Toavina mba hanome tapakila “classe affaire” ho azy amin’ny fiverenany any Frantsa satria mbola mila fitandremana be ny lohany. Nanome toky ny minisitra fa hiantoka izany tapakila izany ho azy.

 Torcelin

 

Les commentaires sont fermées.