Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanampian’ny ONU : nahazo 5 tapitrisa dolara isika

Fanampian’ny ONU  : nahazo 5 tapitrisa dolara isika

Afaka nitafa mivantana amin’ny alalan’ny vidéoconférence ny mpikambana ao amin’ny governemanta malagasy sy ny solontena maharitra ao amin’ny Firenena mikambana any New York, teny amin’ny foiben’ny Firenena mikambana eny Andraharo. Mila vola manodidina ny 20 tapitrisa dolara isika ho fanarenana ny vokatry ny rivodoza Enawo satria 250 000 ny traboina. Nitarika ny fihaonana ny Praiministra Mahafaly Solonandrasana sy ny mpandrindra ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana, Violette Kakyomya, ny talata lasa teo. Nanotrona ny mpikambana maromaro tao amin’ny governemanta. Avy any New York, nitondra ny dinika ny tomponandraikitra ao amin’ny Firenena mikambana misahana ny maha olona, Stephen O’Brien sy ny masoivohontsika any an-toerana, Andrianarivelo Zina.

Nizara ny zava-misy taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Enawo ny Praiministra indrindra tany Sava sy ao amin’ny distrikan’i Maroantsetra sy Antalaha. Naneho ny fahavononany hanampy antsika ny Firenena mikambana.

Tapaka fa hanetsika vola 5 tapitrisa dolara avy hatrany ny firenena mikambana ho fanampiana ny maha olona.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.