Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Faha-70 taon’ny “Raharaha 1947” : ny mpanjanatany no nanao ny 29 marsa fa navadiny

Faha-70 taon’ny “Raharaha 1947”  : ny mpanjanatany no nanao ny 29 marsa fa  navadiny

1947-2017: 70 taona ny “Raharaha 29 marsa 1947”. Inona ny marina? Mbola tsy mampitovy hevitra, mampifanditra aza… Maneho ny fijeriny amin’ny tahirin-kevitra nosoratan’ny zanaka MDRM sady filohan’ny antoko Otrikafo, Rajaonah Andrianjaka. Nambarany teto fa tsy ny MDRM  no nanapoaka ny tabataban’ny 29 marsa. Iza àry? Tohiny…       

Amin’ny endri-javatra toy ireny (1), tsy maintsy hadihadina ny hoe: “Iza no rafitra manana sampana miely patrana manerana ny Nosy”, ka afaka mampita toromarika na baiko ao anatin’ny fotoana voatondro?

Ny fitondram-panjakana kolonialy frantsay aloha no rafitra voalohany. Ny MDRM no rafitra faharoa. Ny fiangonana katolika no fahatelo. Tsy ny fiangonana katolika velively no nanentana sy nampita ny toromarika tamin’iny raharaha iny. Tsy azo eritreretina akory izany.

Efa voasoritra tany aloha fa eken’ny rehetra, mpandinika sy ny mpandalina, fa tsy  tompon’antoka tamin’iny raharaha iny ny MDRM. Tsy milaza izany akory fa tsy nihetsika mihitsy ireo mpitarika ny MDRM. Nihetsika izy fa tsy ny alin’ny 29 marsa 1947 akory. Ry Monja Jaona, efa nihetsika tany Manakara ny taona 1946. Efa tany am-ponja anefa izy io 29 marsa io. Nihetsika koa ny teo Sabotsy Namehana tamin’ny 22 jona 1946, sns.

Tsy misy afa-tsy ny fanjakana kolonialy frantsay sisa izany no afaka nanapoaka iny 29 marsa 1947 iny.

Anisan’ny azo raisina ho porofo manamarina ny maha tetika maloton’ny fitondram-panjakana frantsay an’iny “Raharaha 1947” iny ny fijoroana vavolombelona nataon’ny manamboninahitra frantsay, ny lietnà Remondière, tao amin’ny tobi-miaramilan’i Moramanga (marsa 1946-jolay 1947) sy ny tatitry jeneraly Casseville (2), izay nitantara ny zava-niseho tao amin’ny toby tamin’izany. Nolazainy fa nisy ny firaisana tsikombakomba avy tao anatin’ny tobi-miaramila nanamorana ny fidiran’ny “mpikomy“, anisan’izany ny fiara miaramila nisy nanao “sabotage“. Ny fihetsiky ny administratera sivily izay tsy nilaza ny marina tamin’ny lehiben’ny tobi-miaramila, ny komandà Perrier, momba ny tabataba mety hitranga ny alin’ny 29 marsa, dia milaza fa nataon’ny administratera sivily frantsay, Baron, izay hahatafiditra ny “mpikomy” tao amin’ny toby tao Moramanga. Ny fanafihana ny toby tao Moramanga anefa no tena fototry ny fiampangana sy fanamelohana an-dry Ravoahangy sy ny MDRM.

Misy milaza koa fa ireo fikambanana miafina Jina sy Panama, izay nanana tanjona hitaky ny fiverenan’ny Fahaleovantena tamin’ny alalan’ny basy aman-defona, no tomponandraikitra tamin’ny “Raharaha 29 marsa 47“. Araka ny filazan’i J. Tronchon, ao amin’ny bokiny: Ravelonahina Edmond sy Razafindrabe Samuel, samy mpitarika ambony tao amin’ny Jina, no nanapaka io daty 29 marsa io. Fantatra fa samy mpitsikilon’ny Frantsay izy roa lahy ireo. Fitaovana teo am-pelatanan’i Baron fotsiny ihany izany izy ireo, hahazoana manameloka sy manapotika ny MDRM. Na maro aza ny tena tia tanindrazana tao anatin’ireo fikambanana miafina ireo, iaraha-mahalala ary fantatry ny rehetra tamin’izany fa marobe ny mpitsikilon’i Baron tafatsofoka tao aminy (3).

Misy koa ny milaza fa ny mpikambana tsotra MDRM no nihetsika tamin’io 29 marsa io. Marina izany, satria ny anaran-dRavoahangy sy Raseta ary ny MDRM no nentin’ny olon’ny Jina sy ny Panama nanentana ny vahoaka hihetsika (4). Maro noho izany ny nanoina ny antso, ary lasa niditra anaty ala mihitsy taty aoriana. Antony roa lehibe no nahatonga izany:

– Voafitaka ireo tia tanindrazana marobe mpomba ny MDRM ka niroso an-kitsimpo.

– Mafy loatra ny famaizana nafitsoky ny fitondrana kolonialy, ka nahavoatery ny maro hitady fialofana tany anaty ala.

Ireo olon-tsotra tia tanindrazana marobe mpomba ny MDRM izany no voafitaka ka nanaraka ireo mpihantsy (“provocateurs”) voakaraman’ny mpanjanaka sy i Baron.

Tetika maloton’ny mpanjanatany frantsay ny “Raharaha 29 marsa 1947” mba hahazoany manamarina ny fandripahany ny vahoaka malagasy ana hetsiny. Fandringanam-bahoaka mitambabe no nataon’ny fanjakana kolonialy taty Madagasikara tamin’ireny fotoana ireny.

 

Efa nomanin’ny fanjakana kolonialy frantsay ela ny 29 marsa 1947

 

Efa ela no nanomanan’ny fanjakana kolonialy frantsay io daty ny 29 mars 47 io.

– Araka ny filazan’i J. Tronchon, efa nanapaka io daty io Ravelonahina Edmond sy Razafindrabe Samuel, oktobra 1946.

– Nampiana sy nampidirana mpitsikilo maro ireo fikambanana miafina, Jina sy Panama. Nisy tamin’ireo mpikambana no nandray vola isan-kerinandro teny amin’ny biraon’i Baron tao amin’ny “Sûreté générale”, araka ny filazan’ny “inspecteur de police” malagasy niasa tao tamin’izany fotoana izany.

– Ny 9 oktobra 1946, iray volana talohan’ny fifidianana solombavambahoaka, no nandefa ilay telegrama tamin’ny governora jeneraly, Marcel de Coppet, i Marius Moutet: “Il faut abattre le MDRM par tous les moyens.”: “Tsy maintsy potehina amin’ny fomba rehetra ny MDRM“.

Ny 25 oktobra sy 9 novambra 1946, nozaraina ho faritany enina i Madagasikara. Tetika hampisaraham-bazana ny samy Malagasy, merina sy tanindrana, ary indrindra hoenti-manakana ny fihanaky ny foto-kevitry ny MDRM manerana ny Nosy manontolo. Foto-kevitra izay nosokajin’ny fitondrana kolonialy frantsay ho Hova na Merina fotsiny ihany.

 

Ny fanomanana ara-tafika sy polisy

 – Nanomboka tamin’ny 1946, napetrany tao Mahajanga ny 1er bataillon de Tirailleurs Somalie.

– Nalefa hanampy tafika  taty Madagasikara ny Bataillon des tirailleurs sénégalais (BTS) ny 16 febroary 1947.

– Ny 16 febroary 1947, iray volana mahery talohan’ny nipoahan’izay nolazaina hoe fikomiana: niforona ny BTS R 1, izay nomanina manokana halefa aty Madagasikara.

– Nampitomboina be ny isan’ny polisy senegaly sy komorianina nampiasain’ny “Sûreté générale” nandritra ny taona 1946.

Ny tsy azo ihodivirana, araka izany, ny famatorana andraikitra ny fitondram-panjakana kolonialy frantsay ho tompon’antoka tamin’ny fanapoahana ny 29 marsa 1947.

Araka izany, ny mpanjanatany no nanao io 29 marsa 1947 io, nefa  navadiny hoe: ny MDRM  sy ny tia tanindrazana malagasy no nanao azy. Mba hanamarinana ny fandripaham-bahoaka nataony hiarovana ny tombontsoany eto Madagasikara. Izay no lasa fomba fijerin’ny mpitondra fanjakana malagasy, izay mbola mila ranondranony amin’i Frantsa. Mbola nivoy io fomba fijery io avokoa ny fitondrana malagasy rehetra taty aoriana. Tsy nanitsy ny tantara koa ireo avarapianarana, fa nanaraka ambokony fotsiny ihany. Vokatr’izany, io fomba fijery ny zava-nisy napetraky ny mpanjanaka io, “version coloniale”, no nampianarina tany an-tsekoly sy nampanjakaina eto Madagasikara tamin’ny alalan’ny haino aman-jery ary lasa foto-kevitra mibahana sy manjaka. Io no mitoetra ao an-tsain’ny ankamaroan’ny olona, indrindra ny vahoaka malagasy hatramin’izao. Nanjary nankalazaina am-pifaliana sy am-piravoravoana ny fitsingerenan’io andro fahafatesana sy faharesena io. Ny tombontsoan’i Frantsa no narovana ireo mpitondra fanjakana nifandimby amin’izany. Ary mbola arovan’ny fitondrana ankehitriny ihany koa.

Olana eo amin’ny fifandraisan’i Madagasikara sy i Frantsa hatramin’izao ny “Raharaha 29 marsa 1947”. Saika hanazava ny filoha frantsay Jacques Chirac, tamin’ny 2005, fa nosakanan- dRavalomanana, satria mbola tsy teraka, hono, izy tamin’izany.

– Takina ny fiaiken’i Frantsa ho tomponantoka tamin’ny fanapoahana ny 29 marsa 1947.

– Takina ny fiaiken’i Frantsa ny fandringanam-bahoaka faobe nataony, nanomboka ny 29 marsa 1947.

Andraikitry ny fitondram-panjakana malagasy, na ny ankehitriny na ny ho avy, ny manokatra fifampidinihana amin’i Frantsa mba hirosoany amin’izany (4).

Ny Otrikafo, Rajaonah Andrianjaka, zanaka MDRM.

(1) Gazety Taratra lah. 3970, 23 marsa 2017.

(2) In la révolte des Sagaies, archives Services historique de l’armée de terre Vincennes. P 79-95.

(3) Colloque international sur le cinquantenaire de l’insurrection de 1947, 23-27 septembre 1997. M et Mme Randrianarivelo. “Contribution à l’analyse des évènements de 1947“. P 12-14.

(4) Mbola vary mangatsiaka eo amin’ny fifandraisan’i Madagasikara sy i Frantsa ny fitazonana ireo Nosy malagasy manodidina, izay mbola zanatany frantsay.

 

Les commentaires sont fermées.