Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Efa nahazoany vola 60 tapitrisa Ar… : naiditra am-ponja ilay jiolahy nivarotra rubis sandoka

Efa nahazoany vola 60 tapitrisa Ar…  : naiditra am-ponja ilay jiolahy nivarotra rubis sandoka

Nidoboka am-ponja afakomaly ny jiolahy antsoina hoe Rodin Julien, 35 taona raindahiny amin’ny fisolokiana sy fisandohana. Saron’ny polisy ekonomika tany Antsohihy izy, ny alakamisy teo noho ny fivarotana rubis sandoka izay efa nahazoany vola 60 tapitrisa Ar…

 

Heloka anenjehana ity jiolahy ity ny fisolokiana sy fivarotana rubis sandoka. Ny polisy ekonomika Anosy no nahasambotra azy tany Antsohihy taorian’ny fitoriana napetrak’ireo niharan’ny fisolokiana. Araka ny fanazavan’ny polisy, teto an-dRenivohitra no niseho ity fisolokiana ity. Nilaza ity jiolahy ity fa tsy mahay miteny frantsay nefa manana vato rubis ka nindrana olona mba hifampiresaka amin’ny vazaha iray hividy io vato io. Nilaza tamin’ilay mpandika teny ilay vazaha nandritra ny antso nataony fa mbola any Nosy-Be ary handefa teknisianina hijery ilay vato. Fantatra taorian’ny fifampiresahana fa hoe mitentina amina miliara maromaro io vato hosoka io. Nilaza anefa ilay vazaha fa tsy ho tonga raha tsy afaka telo andro. Tetsy ankilany anefa, nilaza ilay tompon’entana fa tsy nanam-bola ary maika handeha hody any Mananara Avaratra. Nifampiresaka tamin’ilay mpandika teny ilay tompon’entana mba hampisamborany na hanomezany vola 100 tapitrisa Ar fa hosoloiny ny azy rehefa tonga ilay vazaha hividy ilay vato. Nentim-pahatsorana ilay mpandika teny ka nanome vola 60 tapitrisa Ar. Taorian’io, nifampiantso tamin’ilay mpandika teny indray ilay vazaha fa hoe tratran’ny lozam-piarakodia ka niangavy taminy mba handefasana vola 5 tapitrisa Ar fa vola vahiny euro ny any aminy.

Tsy hita anefa ny nanjavonan’ilay hoe vazaha sy ilay tompom-bato ka nametraka fitoriana ilay niharan’ny fisolokiana. Tratran’ny vela-pandrika tany Antsohihy ilay jiolahy iray.

J.C

Les commentaires sont fermées.