Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ampefiloha Ambodirano : trano 11 kila forehitra, olona 249 tsy manan-kialofana

Ampefiloha Ambodirano : trano 11 kila forehitra, olona 249 tsy manan-kialofana

Nisehoana haintrano teny Ampefiloha Ambodirano ny alin’ny 28 hifoha 29 marsa teo. Trano anjatony indray may tamin’izany, ka ny 11 no tena may kila fotrehitra, ary olona 249 tsy manan-kialofana. Fianakaviana 58 indray voakasika amin’izany. Tamin’ny 10 ora sy sasany alina ny afo ary tsy maty raha tsy tamin’ny 1 ora maraina tany. Tsy fantatra ny niatombohan’ny afo tamin’ity loza ity.

Tonga teny an-toerana ny avy amin’ny BNGRC, ny minisitry ny Mponina, nitondra fanampiana ho an’ireo traboina. Entana maro ilaina andavanandro no nentina tamin’izany. Nisy ihany koa ny fananganana ny asa tana-maro mba hahafahana manampy ireo mponina amin’ny fivelomany amin’izao tranga mahazo azy izao. Olona sahirana daholo ny ankamaroan’ireo.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.