Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

29 marsa an-tsary…

29 marsa an-tsary…

Samy nanefa ny adidiny ho fanehoana fitiavan-tanindrazana ny maro amin’ireo fikambanana sy antoko politika na koa ny eo anivon’ny fiangonana. Teo ireo nanatitra fehezam-boninkazo. Nitondra am-bavaka ny firenena sy ny fampahatsiahivana ny fitiavan-tanindrazana, ankoatra ny lahateny politika, kosa ny tetsy amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka. Tsy be resaka fa nanao izany am-panginana, tsy nisy tabataba ny Mapar… Amin’ny herintaona, efa akaiky ny fifidianana. Hanao ahoana indray ny 29 marsa ?

Na banga ny loholona Lylison aza ny Mapar, tonga hatrany izy ireo naneho fiaraha-mientana sy firaisankina…

Ny solontenan’ny FFKM, ny Mgr isany, Ranarivelo Saomela Jaona sy Razanakolona Odon, nanotrona ny fametrahana ny fehezam-boninkazo tetsy Ambohijatovo.

 

Tsy nivoaka ny kianja ny mpanohana ny filoha teo aloha, Ravalomanana, saingy nitaky ny tsy hisian’ny « Ni…ni » sy ny fanokafana ny MBS, ankoatra ny resaka 29 marsa. Soratra sy sary : Synèse R. sy Tiana ary Fano.

Les commentaires sont fermées.