Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Olympiade : hiditra amin’ny manasa-dalana

Olympiade  : hiditra amin’ny manasa-dalana

 Hotontosaina, eto Antananarivo ny asabotsy 1 avrily ho avy izao, ny dingan’ny antsasa-dalana amin’ny fifaninanana , « Olympiade mathématique-physique » sy ny « Olympiade famoronana zavatra ». Nandray anjara Antananarivo, Toamasina ary Antsirabe ka samy hanana solontena 10 avy amin’ny kolejy ary 10 hafa avy amin’ny lycée ny faritra telo voalaza. Vita ny 18 marsa lasa teo ny fifanintsanana ho an’ny « Olympiade mathématique » ka efa fantatra ireo mendrika hanohy ny lalao. Natokana ho an’ny ankizy avy ao amin’ny fikambanana SOS Village d’enfants irery ny sokajy « Olympiade famoronana zavatra ». Mbola afaka misafidy ny zavatra (ao anatin’ireo efa natolotra hifaninanana) hoentiny hifaninana amin’ny asabotsy ireo mpifanandrina rehetra. Vatsin’ny orinasa DHL ny famolavolana ny asa tanan’ny ankizy atolotra amin’ny dingana manasa-dalana.

Anisan’ny niompanan’ny famoronan’ny ankizy ny famadihana ny fako ho angovo, kapa avy amin’ny rofia, famadihana ny tavoahangy sy ny sarony ho fitoeran’entana maivana…

Niavaka koa ny vokatra vitan’ny ankizy ao amin’ny SOS Village d’enfants Antsirabe, boky fampianarana natokana ho an’ny préscolaire azo amin’ny lamba sy peta-kofehy.

Nifantina ny vokatra hiatrika ny manasa-dalana ny tale jeneralin’ny orinasa DHL, Rakotondraibe Mamy, sy ny tomponandraikitra avy amin’ny fikambanana SOS Village d’enfants. Hiditra amin’ny famaranana ny fifaninanana, ny 27 avrily izao.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.