Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Asako rahampitso : mpianatra 8 500 nahafantatra asa 50

Asako rahampitso  : mpianatra 8 500 nahafantatra asa 50

Nifarana ny zoma lasa teo ny hetsika fampahafantarana karazana asa maro, teny anivon’ny lycée manerana ny Nosy, Ny asako rahampitso taona 2017, andiany faha-12. Nahatratra 8 500 ny mpianatra amin’ny kilasy 2nde nahazo tombontsoa  niaraka amin’ny mpiasa 400. Nampiavaka ny hetsika ny fanitarana ny fizarana ny fampahalalana sehatra teny anivon’ny lycée dimy any amin’ny Renivohi-paritany ankoatra ny Renivohitra. « Nahasarika ny mpianatra ny nandray ny mpanentana isaky ny sokajin’asa misy manodidina ny 50 eto amintsika. Manampy ny mpianatra amin’ny kilasy 2nde hisafidy ny sokajy rehefa hifindra amin’ny kilasy 1ère ny hetsika ary tsy vitsy ireo efa nahita tombontsoa tamin’izany », araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana Rotary Ainga, Razafimahandry Jean Claude, mpanomana ny hetsika isan-taona. Vonona hanohy ny fiaraha-miasa ny roa tonta amin’ny taom-pianarana vaovao 2018. Notoloran’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena fankasitrahana manokana ny mpikambana ao amin’ny Rotary Ainga, fototry ny Ny asako rahampitso nandritra ny 12 taona nisesy.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.