Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vita ny lalana Ambohimandry sy Alakamisy

Vita ny lalana Ambohimandry sy Alakamisy

Mitohy ny fampandrosoana eny ifotony. Vita ny fanarenana ny lalana mampitohy ny kaominina Alakamisy-Fenoarivo  miala eo Vontovorona mihazo ny kaominina Ambohimandry, distrikan’ Arivonimamo. Tsy misy intsony ny lavadavaka. Novelomina ny tatatra amin’ny sisin-dalana ahafahan’ny rano mikoriana sy tsy miandrona eny ampovoan-dalana. Niara-nisalahy tamin’izany ny depiote Rakotomanjato Rodin, niantoka ny solika  150 litatra isan’andro sy ireo mponina lalovan’ny lalana. Nanampy izany  ny fampiasana ireo fitaovana fanamboaran-dalana an’ny filoha teo aloha, Ravalomanana. Ho afa-pahasahiranana amin’ny fahavitan’ity lalana ity ireo tantsaha mpamokatra. Tsy tongan’ny fitaovam-pitaterana ny tanàna. Vokatra kely  zaka vimbinina an-tongotra na bisikileta no mba tafakatra any amin’ny tsenan’Alakamisy, amin’ny lalana manodidina ny 20 km rehefa mamonjy tsena. “Tsy hijanona hatreo ny fanarenana ny lalana eo anivon’ny distrikan’Arivonimamo. Hapetraka ho tanjona ny fampivoarana ny fiainan’ny tantsaha eo anivon’ireo kaominina ambanivohitra rehetra mandrafitra ity distrika ity”, hoy izy.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.