
Natolotra ny fampanoavana ny alakamisy teo ny kaomandin’ny kaoampania zandary Ankazobe sy zandary iray mpiara miasa aminy, noho ny fanaovana kolikoly. Naiditra am-ponja vonjimaika (M.D) izy roalahy ireto.
Naiditra am-ponja vonjimaika izy roa lahy ireo rehefa avy nanaovan’ny mpitsara fanadihadiana. Voalaza fa raharaha fahatrarana rongony tany amin’iny lalam-pirenena fahefatra iny, tany Andranovelona, izao nahavoarohirohy ireo zandary ireo izao. Nisy ny resa-bola nihodina tao anatin’ity rongony ity. Tsy fantatra, noho izany, raha nisy ny tsy fifanarahana teo amin’ny roa tonta fa nipetraka ny fitoriana. Nihetsika avy hatrany ny sampana miady amin’ny kolikoly eo anivon’ny zandarimaria ka tamin’izany no nanaovana ny fanadihadiana. Voasaringotra ny kaomandin’ny kaompanian’ny zandary Ankazobe sy ilay zandary iray hafa. Tsy afaka, noho izany, izy roa lahy ireo ary izao naiditra am-ponja vonjimaika izao.
Araka ny fanazavana azo, tsy matoritory akory ny eo anivon’ny zandarimaria amin’ny ady amin’ny kolikoly fa manao ny asany, ary izao nahitam-bokany izao. Araka ny tatitra fanaon’ny Bianco, anisan’ny be kolikoly indrindra ny teo anivon’ny zandarimaria. Noho izany indrindra ny nanokafana io sampana io eo anivon’ny zandarimaria. Manara-maso ny fanadinana hidirana ho zandary izy ireo, ary toy ity raharaha tany Andranovelona ity. Azon’ny rehetra atao, noho izany, ny mametraka fitarainana na fitoriana raha misy ny kolikoly ataon’ny zandary. Misokatra ny fanadihadiana aorian’izay. Miandry ny fitsarana azy, noho izany, ireto zandary roa lahy naiditra am-ponja vonjimaika ireto.
Yves S.
Les commentaires sont fermées.