Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tatitry ny BNGRC : potika avokoa ny 80 % amin’ny fambolena

Tatitry ny BNGRC : potika avokoa ny 80 % amin’ny fambolena

Rehefa nitondra ny anjara birikiny ho an’ny faritra Sava ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny solika, ny herinandro lasa teo, omaly kosa, nitodi-doha any amin’ny BNGRC ny minisitera, notarihin’ny minisitra Zafilahy Ying Vah, niaraka tamin’ny BCMM, ny Omnis, ary ny Anor nitondra izay voatsirambin’ny tanana. Tamin’io fotoana io, nilaza ny sekretera mpanatanteraka ao amin’ny BNGRC, Venty Thierry, amin’ny fahavoazan’ny firenena taorian’iny rivodoza Enawo iny. « Potika avokoa ny 80 % amin’ny fambolena any amin’ny faritra rehetra ary betsaka ny ilana fanarenana maika. 424.000 ny traboina, 81 namoy ny ainy ary 18 tsy hita », hoy ny sekretera mpanatanteraka, Venty Thierry.

Fahavoazana iray lehibe koa ny fahapotehan’ny lalana maro. Midika izany fa manana andraikitra ny rehetra, araka izay tandrify azy. Tsy vitan’ny minisitera iray na roa izany. Nahatonga ny fitondram-panjakana nanao fanambarana amin’ny maha traboina ny firenena iray manontolo, nangatahana famatsiam-bola avy any ivelany izany. Ireo sampan’ny Firenena mikambana eto an-toerana, mitantana ny fanampiana avy any ivelany. Mitohy izao ny fanombanana ireo simba rehetra ifandraisan’ny sosialy sy ny toekarena.

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.