Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nosy Maorisy : nigadra 20 taona ilay Malagasy nitelina héroïne

Nosy Maorisy  : nigadra 20 taona ilay Malagasy nitelina héroïne

Natao tany Maorisy, ny alakamisy teo, ny fitsarana ny teratany malagasy iray, R.S.A, 33 taona, tratra nitondra héroïne tany an-toerana, ny 6 oktobra 2012. Voaheloka higadra 20 taona an-tranomaizina any Maorisy ity tovolahy ity. Efa notanana am-ponja vonjimaika ny lehilahy, ny taona 2012 no ho mankaty, izany hoe, efa tany am-ponja nandritra enin-taona izy. Araka ny vaovao avy any an-toerana, avy aty Antananarivo ilay tovolahy io no nitondra bolabolana heroïne miisa 76, izay voalaza fa nateliny. Tsy tratra’ny fisavan’ny polisy teny Ivato sy tany Maorisy izy io. Nandritra ny famoahany ireo bolabola tao an-kibony, nisy tampoka ny fahasarotana ka voatery naiditra hopitaly izy io. Tra-tehaka teo ilay tovolahy malagasy io. Nodidina tany amin’ny hopitaly iray ao Maorisy izy, ka anisan’ny nosamborin’ny polisy miady amin’ny zava-mahadomelina ihany koa ny dokotera nandidy azy, ary efa nigadra enin-taona. Maorisianina efatra hafa ihany koa voasambotra tamin’ity raharaha ity. Efa notanana am-ponja ihany koa ireo olona ireo. Tsy tafody an-tanindrazana ilay tovolahy malagasy raha tsy an-taona maro mahefa sazy.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.