Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mitohy ny tsy fifankahazoana… : hanao ny taom-baovao merina ny Zanadranavalona

Mitohy ny tsy fifankahazoana…  : hanao ny taom-baovao merina ny Zanadranavalona

Handeha irery toy ny mahazatra azy ny Zanadranavalona amin’ny fankalazana ny taombaovao malagasy. “Nivadi-pitokisana ny Trano koltoraly satria efa tapaka tamin’ny dinika niarahana ny volana febroary teo, araka ny fangatahan’ny rehetra, fa hatao ny 20 septambra izao ny taom-baovao Malagasy. Efa nifandray tanana tamin’izany… Mbola hankalaza ny taom-baovao ihany anefa izy ireo amin’ny 28 marsa izao”, hoy ny filohany, Ravelonarivo Alain, omaly.  Manoloana izany, nanapa-kevitra izy ireo fa hanao ny taom-baovaony manokana izy ireo ary mbola novainy koa izany ka ho an’ny Merina ihany na taom-baovao merina. Hotanterahina ny 24 jona izao izany, araka ny fanisana andro efa nahafantarana azy ireo hatramin’izay. “Mba hialana amin’ny adihevitra be tsy misy fiafarany”, hoy ihany izy ireo.

Amin’ny ankapobeny, namely fantsy sy nitsikera ny mpikarakara ny taom-baovao hanomboka ny alatsinainy 27 marsa izao izy ireo. Notanisain’izy ireo koa ny tsy mampitombina ny taom-baovao amin’ireo andro roa ireo amin’ity taona ity, niainga amin’ny ambaran’izy ireo fa tetiandro malagasy, nolovaina tamin’ny arabo, amin’ny alalan’i Habib. Niandrasana ny hanombohan’ny taom-baovao malagasy vao naneho izao hevitra izao ny Zanadranavalona ? Inona ny antony sy tiana hahatongavana ?

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.