Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mandritra ny taona : hozaraina ny voka-pikarohana momba ny harena voajanahary

Mandritra ny taona  : hozaraina ny voka-pikarohana momba ny harena voajanahary

Nisokatra omaly eny amin’ny Akademia Malagasy Tsimbazaza, ny fihaonambe momba ny fikarohana andiany fahadimy. Naompana amin’ny harena voajanahary sy ny fampandrosoana maharitra ny fivoriana izay karakarain’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa mandritra ity taona ity. « Tanjon’ny hetsika ny fampahafantarana ny andraikitry ny fikarohana sy ny vokany ho an’ny vahoaka », hoy ny minisitra Rasoazananera Marie Monique, omaly. Nomena lohahevitra ny fihaonana tamin’ity taona ity satria betsaka ny fikarohana mifototra amin’ny harena voajanahary marolafy. Fotoana hizarana ny valin’ny fikarohana natao hatramin’ izay ny fihaonan’ny mpikaroka, mpampianatra, mpianatra eny Tsimbazaza.

Entina hampandrosoana ny fiainana andavanandron’ny mponina ny vokatry ny fikarohana. Ohatra ny fahasalamana, fambolena sy fiompiana. Misy tsindry sy sedra mahazo ireo harena voajanahary ireo anefa ka mila fantarina izay ahafahana mitondra vahaolana. Anisan’izany ny fiovaovan’ny toetr’andro miseho amin’izao fotoana izao miantraika amin’ny fambolena atao. Nozaraina telo ny fihaonana, hanokatra azy ny harena voajanahary eto ambonin’ny tany, ny 15 sy 16 jona hatao eny amin’ny valanjavaboahary Tsimbazaza. Hitohy any Nosy-Be momba ny harena anaty ranomasina ny hetsika, ny 28 sy 29 septambra. Miara-miasa amin’ny fanatanterahana ny fihaonambe momba ny fikarohana ny Institut de recherche pour le développement (IRD) sy ny Muséum national d’histoire naturelle ao Frantsa.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.