Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hanarenana ny faharavana ara-panahy : hanolotra vinam-pirenena ny NMR Marisika

Hanarenana ny faharavana ara-panahy  : hanolotra vinam-pirenena ny NMR Marisika

 Miainga amin’ny isam-batan’olona mitohy isan-tokantrano ary miantefa amin’ny firenena, ilaina ny fanarenana ny fanahy hitondrana fanovana maharitra.

Hatolotra amin’ny fomba ofisialy ny 29 marsa ho avy izao, ny vinam-panarenana avy amin’ny STK sy ny FKTLM, samy tanora mivondrona ao amin’ny NMR Marisika. « Nahatsapa ny faharavan’ny fanahy eo amin’ny tanora sy ny fiarahamonina ankehitriny ireo tanora avy amin’ny FJKM sy ny FLM ireo ka namolavola vina hanarenana izany », hoy ny tonian’ny fikambanana, Ralaivao Lovatiako, omaly teny Analakely. Efa nankatoavin’ny foibe avy amin’ny finoana roa tonta ny vina ka haparitaka manerana ny Nosy. Misy ny asa hatao hitondrana ny vinam-panarenana. Voalohany ny fitaizana ny tanora amin’ny fanatanjahantena ampiarahina amin’ny fitoriana ny Filazantsara. Eo koa ny vatsin’ny tanora atao amin’ny finday. Ampidirana application ny finday ka hahazo mofon’aina isan’andro mifanaraka amin’ny filany ny tanora rehetra. Isan-kerinandro kosa, hisy lohahevitra amin’ny alalan’ny horonantsary maivana hizarana lohahevitra ka hiteraka adihevitra eo amin’izy ireo ary farany ny fifampizarana vaovao momba ny vinam-panarenana eo amin’ny tambajotra iraisana.

Niainga avy amin’ny tanora ny vinam-panarenana hiantefa amin’ny namany rehetra. Asaina ny tanora, ny mpitantana fiangonana hanatrika ny fizarana ny vinam-panarenana hataon’ny tanora ny tapak’andro hariva eny amin’ny lapan’ny Kolontsaina sy fanatajahantena Mahamasina. Hisy fanentanana amin’ny antsan-kira, ny maraina, izay hitohy amin’ny fotoam-bavaka ary hofaranana amin’ny fizaran’ny tanora ny vinam-panarenana.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.