Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambatondrazaka : mihatra ny « couvre feu »

Ambatondrazaka : mihatra ny « couvre feu »

Nampiharana ny tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina, manomboka amin’ny 10 ora, ny any Ambatondrazaka. Savaina avokoa ny fiara rehetra, indrindra ny môtô mandeha alina. Nilaza ny lehiben’ny faritra Alaotra Mangoro, Ranarisoa Désiré fa mirongatra ny tsy fandriampahalemana any Ambatondrazaka sy ny manodidina. Nisehoana fanafihana mitam-piadiana misesisesy tany an-toerana, tao anatin’ny telo volana, ary tao anatin’ny 10 andro monja, efa ho isan’andro ny fanafihana any Ambatondrazaka. Anisan’ny ohatra ny nanafihan’ny jiolahy tokantrano maromaro ny alahady lasa teo. Olona 30 no efa nosamborin’ny mpitandro filaminana avy amin’ny OMC tamin’izany.”Nisy tamin’ireo ny efa niaiky fa anisan’ireo mpanafika tany Ambatondrazaka ka hatrany Moramanga », hoy ny lehiben’ny faritra. Na izany aza, nilaza ity farany fa tsy ampy ny mpitandro filaminana misahana ny faritra rehetra amin’ny ady amin’ny jiolahy.

Nisy ihany koa ny fandraisana fepetra ny amin’ny fanakatonana ny toeram-pitrandrahana any Didy. « Ny fisian’ny fivezivezena karazan’olona maro, sy ireo Srilankey mpividy vato no tena mampirongatra ny asan-jiolahy. Noroahina niala tao avokoa ireo olona rehetra ireo », hoy ny fanazavana. Nahatratra analiny ny olona tany Didy, ary nentina tamin’ny kamiao mihitsy ireo Srilankey noroahina. Nosamborina ary naiditra am-ponja izay tratra mbola niverina tamin’ireo teratany vahiny ireo. Araka izany, miandry izay vokatry ny fepetra noraisin’ny faritra ny rehetra amin’ny firongatry ny tsy fandriampahalemana.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.