Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Manazava ny Tafika : “Cible volant” ana missile «Strela» ilay nitontona tetsy Tsiadana

Manazava ny Tafika  : “Cible volant” ana missile «Strela» ilay nitontona tetsy Tsiadana

Nitondra fanazavana, mikasika ilay baomba nitontona tetsy tsiadana afakomaly, ny Sampandraharaha miadidy ny fifandraisana eo anivon’ny Tafika malagasy, omaly. Voalaza tao anatin’ny fanambarana fa mpandefa fitaovana fanazarana fitifirana ana habakabaka na « Cible volant » ho an’ny « missile Strella » teny Betongolo tao amin’ny rezimantan’ny tafondro ana habakabaka, ka io ilay niantefa tany amin’ny tranon’olona teny Tsiadana. Nandratra vehivavy iray, izay marihina efa niantohan’ny miaramila ny momba azy. Nandoro miaramila iray ihany koa ary manaraka fitsaboana eny amin’ny Homi.

Araka ny fanambarana, tsy misy vanja mipoaka na atahorana hisy fipoahana io fitaovana io, izay natao hanidina fotsiny ihany.

Tsy nipoaka tokoa ilay “missile” kanefa kosa nandrava fananana sy nandratra olona. Loza mitatao ho an’ny mpiara-monina hatrany ny tsy fahafehezana fitaovana tahaka izao. Voalaza fa nandritra ny fisafoana ireo fitaovam-piadiana no nipoahan’izy ity. Tsy nohazavaina kosa anefa izay tena antony nampipoaka azy na voakitika na hafanana na inona na inona? Mandeha ny famotorana, hoy ireo mpanao fandihadiana.

Yves S.

Les commentaires sont fermées.