Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fitsaram-bahoaka : sefom-pokontany voarohirohy

Fitsaram-bahoaka : sefom-pokontany voarohirohy

 Niafara tamin’ny fitsaram-bahoaka ny halatra gisa tao amin’ny fokontany Mangalaza Ambatondrazaka, ny talata teo. Voalazan’ny fampitam-baovao avy any an-toerana fa tratran’ny fokonolona tao Mangalaza nangalatra gisa miisa 10 ny lehilahy iray, ny alin’ny alatsinainy. Vokany, niharan’ny fitsaram-bahoaka avy hatrany ilay mpangalatra. Nametraka fitoriana teny amin’ny fitsarana ao Ambatondrzaka ny fianakavian’io jiolahy voalaza fa nangalatra gisa io ka nisahana ny famotorana ny polisy ao Ambatondrazaka. Nosamborina avy hatrany ireo olona telo ka sefom-pokontany sy kartie mobile ny roa amin’ireo voarohirohy ary nentina teny amin’ny fitsarana. Nisy andian’olona kosa nirohotra nanaraka azy ireo teo ary naneho tsy fahafaliany momba ny fisaramborana ireto olona ahiahina no nanao fitsaram-bahoaka ireto. Nohenoin’ny tonia mpampanoa lalàna ireo olona voarohirohy ka nahazo fahafahana vonjimaika taorian’izay. Na teo aza ny fihetsiketsehan’ireo andian’olona, nilamina ny tanàna satria tsy nisy fanimban-javatra ny fitakian’ireo mpanao fihetsiketsehana fa nitaky ny hamoahana ireo nosamborina fotsiny. Nandray fepetra kosa ny zandary tamin’ny fitandroana ny filaminana tao an-toerana.

J.C

 (Tahirin-tsary)

Les commentaires sont fermées.