Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toamasina : olona 6 nahatrarana taolam-paty 6 gony

Toamasina : olona 6 nahatrarana taolam-paty 6 gony

 Nitrangana fitsaram-bahoaka noho ny vaky fasana tao amin’ny fokontany Ambonivato kaominina ambanivohitra Antetezambaro ny herinandro lasa teo. Tsy nijanona ny fanaraham-baovao nataon’ny fokonolona sy ny zandary fa niezaka nanao ny fanaraha-maso hatrany. Vokany ny 14 marsa 2017 teo, voasambotry ny fokonolona tao Ambonivato Antetezambaro ny efatra amin’ireo jiolahy, ny iray fahadimy hafa kosa niezaka nitsoaka ka maty an-drano noho ny mbola fiakaran’ny rano vokatry ny rivodoza Enawo. Tratra tamin’izany ny taolam-paty miisa 712 natao natao anaty gony miisa enina izay taolan-dava (tanana sy tongotra) avokoa, izay efa voadio sy voasasa tsara. Nambaran-dRandriamanantena Léon, komandin’ny kompanian’ny zandariamriam-pirenena eto Toamasina  fa manao ny ezaka rehetra tsy maintsy hanatrarana ireto telo lahy any am-pandosirana izy ireo amin’izao fotoana izao. Fanta-daza amin’ny halatra taolam-paty ny faritra Atsinanana Toamasina II sy ny kaominina Antetezambaro iny, nefa hatramin’izao ireo mpivarotra ihany no sarona fa ireo mpividy izany mahatonga ny fisian’ny halatra tsy mbola nisy tratra. Nidoboka ao amin’ny fonjan’Ambalatavoahangy ireo jiolahy rehefa avy natolotra ny fampanoavana. Tazonina ao amin’ny zandary kosa ireo taolan-dava miisa 712 ireto miandry ireo tompom-pasana manana taolam-paty very.

Sajo sy J.C / Sary : Sajo

 

Les commentaires sont fermées.