Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Japana –Madagasikara : hojeren’ny Jica akaiky ny tetikasany rehetra

Japana –Madagasikara : hojeren’ny Jica akaiky ny tetikasany rehetra

Mandalo eto an-toerana, amin’izao fotoana izao, hatramin’ny 25 marsa, ny filoha lefitra voalohany ny Jica (Agence japonaise de coopération internationale), Koshikawa Kazuhiko. Manamafy ny fiaraha-miasa eo amin’i Japana sy i Madagasikara izao fandalovany eto izao, sy fiandrasana hanaovana sonia ny fampindramam-bola ho an’ny asa fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina.

Hisy ihany koa ny fihaonany amin’ny filohan’ny Repoblika sy minisitra maromaro, hiara-mijery izay fiaraha-miasa ho an’ny fampandrosoana. Hitsidika faritra maro ny filoha lefitry ny Jica, Koshikawa Kazuhiko, hahitany ny vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Jica sy i Madagasikara. Aorian’izany fitsidihana izany, hananana fomba fijery vaovao ry zareo Japoney amin’ny zava-misy eto Madagasikara, hijerena izay tetikasa azo antoka fa hitondra fampandrosoana marina eto amin’ny Nosy, toy ny amin’ny sehatry ny fambolena, momba ny fotodrafitrasa, sy ny lafiny sosialy, indrindra ny fanabeazana fototra.

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.