
Nitondra ny anjara biriky amin’ny fampandrosoana tsikelikely, araka ny vita ho an’ny any an-tanàna ny fikambanana Aina. Anisan’izany ny fampitaovana sy fampihaingoana ny trano fisoratam-panambadiana ao amin’ny kaominina Sandrandahy sy Tsarazaza. Nanova endrika tanteraha ny efitrano izany. Nialohavan’ny hetsika natao ny 7 sy ny 8 marsa teo izany. Fa teo koa ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao ho an’ny zanaky ny distrikan’ny Fandriana, natao teny Soanierana ny 3 marsa teo. Tonga nanotrona izany ireo vato nasondrotry ny tany sy ireo mpila ravinahitra ary ny mpianatra eto Antananarivo . Maherin’ny 500 ireo avy any Fisakana niara-nifaly tamin’izany lanonana izany ary nafanain’i Francis Turbo.
Ankoatra ireo, nijery sy nanampy ary nitondra ny voantsirambin’ny tanana ho an’ireo traboina noho ny rivodoza Enawo any Sava koa izy ireo.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.