
Taorian’ny fandraisan’ny vahoakan’ny faritr’i Boeny an’i Ahmad, filoha vaovaon’ny Caf, noraisin’ny tontolon’ny fanatanjahantena, tamin’ny fomba ofisialy, tetsy amin’ny Carlton Anosy, ihany koa izy ny alatsinainy lasa teo.
Niavaka ny fotoana satria nabaribary nanoloana ny lampihazo ny sarin’ny filohan’ny Caf sy ny soratra hoe : “Reharehan’ny Malagasy rehetra”. Natomboka tamin’ny famakiana ny “coran” ny lanonana avy eo vao niroso tamin’ny kabary nifandimbiasana. Ireo rehetra niteny na teratany malagasy na ireo vondron’ny silamo eto Madagasikara sy avy any ivelany ary ny ambasadaorin’i Alzeria, samy nilaza fa rehareha sy fandresen’ny Malagasy iray manontolo izao fitondrany ny Caf izao. Samy nitsodrano azy avokoa ireo rehetra ireo, hahavitany soa aman-tsara ity andraikitra goavana iantsorohany ity. Nofaranana, tamin’ny vavaka, natao tamin’ny teny silamo, ny hetsika izay narahina fiaraha-misotro ranomboankazo sy fihinanana sakafo. Nisy koa fanomezana avy amin’ireo tapaka sy namana avy eto an-toerana sy avy any ivelany, natolotra ny filohan’ny Caf.
Marihina fa nikarakara ny lanonana ny vondron’ny silamo eto Madagasikara, ankilany, sy ny solontenan’ny federasiona, andaniny, nahitana an-dRabe Nathalie sy Rasoamaromaka Hery.
Tompondaka
Les commentaires sont fermées.