Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Filatroana, velakevitra… : andiany faha-10 ny Takalo Haingo

Filatroana, velakevitra… : andiany faha-10 ny Takalo Haingo

Amin’ny ankapobeny, sehatra iray natao hampivelarana ny talentan’ny mpamorona eo amin’ny tontolon’ny fitafy sy fiakanjo ny « Takalo Haingo ». Fantatra omaly tetsy amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM) tohatohabaton’Antaninarenina fa nanomboka omaly ka tsy hifarana raha tsy ny 25 marsa izao ny andiany faha-10 amin’ity hetsika karakarain’ny Maromaitso ity.

Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana anio sy rahampitso, etsy amin’ny Tahala Rarihasina Analakely, samy manomboka amin’ny 9 ora maraina ny famelabelaran-kevitra mombany haifitafy ? Hisy fandefasana sary mihetsika, fanehoana ireo boky mirakitra ny mombamomba ireo mpamorona fitafiana. Hiaraka amin’ireo rehetra ireo ny lesona momba ny haifitafy.

Ny zoma 24 marsa sy ny asabotsy 25 marsa, samy amin’ny 10 ora maraina eo amin’ny zaridainan’Antaninarenina, filatroana iarahana amin’ireo mpamorona mahatratra 12 mianadahy sy ny sanganasany. Handray anjara amin’izany i Kala Jejo, Sikin’olondihy, MirzAingo, VeloAry, Maromaitso, Hery Karl, Malala, Fifaliana, Tafitasoa, Nantenaina, Sandy ary Ange.

Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa anisan’ny mahazo vahana amin’ny asa famoronana ataon’ireto mpikaroka ireto ny fampiasana ireo akora fototra fahita eto an-toerana.

HaRy Razafindrakoto / Sary : Mamiherison

Les commentaires sont fermées.