
Voafidy ho filohan’ny filankevitry ny tanànan’i Toamasina, omaly, Rakotoarivelo Solofo Ginah, rehefa nahazo ny vato 11 amin’ireo mpikambana mpanolotsaina, miisa 19. Notohanan’ ireo mpanolotsaina Tim sy Mapar sasany ary ny MTS izy raha resy kosa ny kandidà natolotry ny Mapar, ny Pr Kasave Raymond, nahazo vato 7. Iray ny vato fotsy. Tsy niandry ela ny fanehoan-keviny taorian’ny nahalany azy amin’izao toeran’ny filohan’ny filankevitra izao. « Miandry an’ ingahy ben’ny Tanàna ny fitsipaham-pitokisana. Iraka ilàn’ny mpiasa sy ireo mpanolotsaina nifidy ahy izany », hoy izy. Nanatrika izao fifidianana izao ny prefet ao Toamasina, Benandrasana Cyril. Efa tafiditra rahateo ao anatin’ny fivorian’ny filankevitry ny Tanàna izany na teo aza ny adihevitra sy ny fifandirana momba ny lahadinika teo am-panombohana. Tara koa ny ben’ny Tanàna vao tonga niatrika izany. Nihemotra hatramin’ny ora tokony ho nanaovana ny fifidianana izany.
Nivory maika avy hatrany, taorian’ny fahalanian’ ity filoha vaovao hisahana ny filankevitra ity, ireo mpanatanteraka sy ny ekipan’ny ben’ny Tanàna, Ratsiraka Elysée.
Sajo
Les commentaires sont fermées.