Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Depioten’i Miarinarivo : « Ilaina ny manakaiky vahoaka »

Depioten’i Miarinarivo  : « Ilaina ny manakaiky vahoaka »

« Hirosoana ny fanavaozana ifotony, indrindra eo amin’ ireo mpiara-miasa  mba hifandraisana akaiky kokoa amin`ny vahoaka. Hanamora ny fiaraha-miasa sy ny fifandraisana ary ny tatitra amin’ny hetahetam-bahoaka izany. Laharam-pahamehana rahateo ny fampandrosoana », hoy ny depioten’i Miarinarivo, Ravahimanana Guillaume, ny faran’ny herinandro teo tany Analavory.  Nohamafisiny fa tsy maintsy ovana izany mba hipaka mivantana any amin’ny fototra,  eny anivon’ny fokontany sy ny vahoaka ao amin’ny distrika iadidiany ny fampandrosoana…

Nifampiarahaba noho ny taona vaovao tany an-toerana ny tenany ary nihaona amin’ireo tompon’andraikitra ara-panjakana eo anivon’ny faritra Itasy. Notsiahiviny ny asa vita sy ny mbola hatao. Anisan’ny dingana tontosa, tamin’ny taon-dasa, ny fampidirana herinaratra ao amin’ny lycée Mandiavato ka nahatonga ny mpianatra sy ny mpampianatra nahazo « tablettes ». Eo koa ireo fanorenana fotodrafitrasa maro samihafa. Ny fanampiana ny fonja ao Miarinarivo, amin’ny alalan’ny fanavaozana ny varavarana.

Nisy ny nofon-kena mitam-pihavanana sy ny fiaraha-misakafo niarahana tamin’io fotoana io.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.