Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Resaky ny mpitsimpona akotry : ratsy noho ny ratsy

Raha misy ny fanao manota fady dia tsy misy ny mihoatra ny fitadiavana tombontsoa takalon’ainan’olombelona na sandan’ ny taolana nendahina tamin’ny razana angamba. Heloka bevava ny famonoana olona. Mitombo haratsiana izany raha natao noho ny fikatsahana fahazoana tombony. Mainka moa fa raha tetika ratsy natao noho ny fahamaizana handova izany hoe raiamandreny na havana na mpiahy no fofoina aina noho izay antony izay. Mbola mahatsiravina kokoa angamba anefa raha eritreretina fa misy tambajotra mandrafitra tsena maizina ho an’ny taova angalarina avy amin’olombelona sy ho an’ny taolam-paty. Mifanerasera ao anatin’izany tsena izany ny mpamatsy sy ny mpividy ambogadiny mahita ny làlana amarotana ny « entana » any amin’ny mpanjifa mampiasa an’izany « akora » izany. Mipetraka ihany anefa ny fanontaniana mikasika ny tena fisian’ ireo mpanjifa ireo. Raha momba ny tsenan’ny taolam-paty dia maro ireo mpangalatra sy ireo entana mahafeno harona sy gony no efa tratran’ny mpitandro filaminana, misy aza amin’ireny entana ireny no narian’ireo nivesatra azy fotsiny ka notsimponina tany anaty lobolobo na teny antsisin-dàlana sisa no niafarany. Ny fisian’ny famakiana fasana noho io antony io tsy azo lavina. Ny foibe manjifa taolana anefa tsy mbola misy tratra na iray aza. Moa ve any ivelany izy ireo? Na izany aza mbola tsy misy fantatra na ahiahiana ny làlana maizina omban’ny fanondranana ireny entana ireny. Maro amin’ireo mpamaky fasana no nirona amin’ny fanaovana an’izany asa veta manody izany. Voatariky ny fakampanahy fotsiny noho ny laza mikasika ny halafosam-bidin’ny entana nefa jamba tsy mahita ny làlana mankany amin’ ny tsena fivarotana azy akory. Momba ny tsenan’ny taova, mbola maizina toy izay koa ny tsy fahafantarana ny tena fisiany na tsia. Efa hatramin’ny andron’ny fanjanahana no nalaza ny fisian’ny mpakafo. Maro ny olona voaendrikendrika ho mpanao izany fa hatramin’izao tsy mbola nisy voatana ho nanao izany heloka izany. Tsy mitsahatra anefa ny fisian’ny fanjavonan’ankizy tsy hita popoka izay niafarany. Asa ratsin’ny mpangala-taova izany araky ny fiheveran’ny maro eo amin’ny fiarahamonina.

Loza tena loza raha tena misy ny tsena miantoka ny varotra mikasika ireo akora roa, taova sy taolana, ireo. Mbola loza ihany koa raha laza ratsy vokatry ny siosio fotsiny no ampy maniraka amin’ny fanaovana ireo asa mamoafady izay tena misy ireo. Na inona na inona, efa eo ny ratsy. Tsy afaka andraikitra amin’izay fomba amerenana fitoniana manodidina an’ireo tranga ireo ny fanjakana.

Léo Raz

 

Les commentaires sont fermées.