Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“Raharaha fahafatesan’ny mpitsara Rehavana tany Toliara” : tsy manaiky ny fanagadrana ireo polisy 39 voarohirohy ny fianakaviany

“Raharaha fahafatesan’ny mpitsara Rehavana tany Toliara”  : tsy manaiky ny fanagadrana ireo polisy 39 voarohirohy ny fianakaviany

Enin-taona aty aorina, hiakatra fitsarana indray, ny alakamisy 23 marsa ho avy izao, ny raharaha nahafaty ny mpitsara Rehavana Michel, ny 9 desambra 2011, tany Toliara, ka polisy miisa 39 no voarohirohy. Nanao valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety, omaly naraina, tany Toliara, ny fianakavian’ ireo polisy voarohirohy sy ny fikambanan’ny foko 18 any an-toerana manohitra io fitsarana izay hatao io. “ Izahay ray aman-drenibe sy fianakavian’ireo polisy voarohirohy tamin’ny raharaha 9 desambra 2011, izay nampifanolana ny polisy sy ny fitsarana, tsy hanaiky intsony ny hampigadrana indray ireo polisy, satria misy amin’ny sasany amin’izy ireo no efa nahavita sazy dimy taona an-tranomaizina, ary tsy manaiky intsony ny hitsarana an’ireo voarohirohy any Antananarivo.”

Nanitrikitrika ingahy Roberval, mpitondra tenin’ny fikambananafa mba hisian’ny fitoniana maharitra, atsahatra avy hatrany ny fanenjehana azy 39 mianadahy ireo. “Tokony hahay hifandamina amin’izay ihany koa ny ao amin’ny minisitera roa tonta voakasik’ity raharaha ity “, hoy izy. Fantatra anefa fa tsy hihemotra ny fitsarana. Ny fandraisan’ny mpitsara an-tanana ny taona mety efa vitan’ireo polisy tany am-ponja no andrasana. Heverina fa tsy hiteraka resabe na hetsika hafahafa indray ity raharaha ity.

Yves S.

 

Les commentaires sont fermées.