Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambatondrazaka : Sinoa notafihin’ny jiolahy nirongo basy

Ambatondrazaka : Sinoa notafihin’ny jiolahy nirongo basy

 “Sambany indray nisy toa iny! ” Ny asabotsy18 marsa tamin’ny misasakalina, nisy olon-dratsy maromaro nanafika Sinoa mpivarotra fitaovana fanaovan-trano ao Madiotsifafàna, kaominina ambonivohitr’Ambatondrazaka. Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ireo jiolahy sy ilay Sinoa satria nanana basy koa ity farany. Nantsoina tamin’ny laharana telefaonina 119 avy hatrany ny mpitandro ny filaminana izay tsy lavitra, ka maheno tsara koa ny feom-basy. Niditra an-tsehara avy hatrany ny zandary sy ny polisy nanao izay hahatery andaniny roa ireo olon-dratsy. Nananosarotra ihany ny fidiran’izy ireo an-tsehatra noho ny fifampitifirana  nampisavoamboana ny bala maro teo amin’ilay toerana. Afaka nitsoaka tamin’ny arabe iray ireo jiolahy. Tsy nisy aina nafoy, tsy nisy naratra, tsy nisy zavatra lasan’ireo olon-dratsy. Mandeha ny fikarohana. “Hatramin’ny desambra ka hatreto tsy nisy fanafihana lehibe mitam-basy niafara tamin’ny fifampitifirana toy izao teto an-tampon-tanàna”, hoy ny ao amin’ny polisy. Voalaza ihany koa fa manao tenim-paritra ireo jiolahy.

Rarivo / Sary : Rarivo

Les commentaires sont fermées.