Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsenan’ny Vorodamba… : amidin’ireo traboina sahady ny fanampiana nomena azy

Tsenan’ny Vorodamba…  : amidin’ireo traboina sahady ny fanampiana nomena azy

 Fahantrana sa fanararaotana tsotra izao? Amidin’ireo traboina sasany eny amin’ny tsenan’ny Vorodamba eny Isotry ny fanampiana homena azy ireo. Toy ny vilany sy ny kojakoja fampiasa andavanandro…

 

Maro ireo olona traboina vokatry ny takaitra navelan’ny rivodoza Enawo farany teo iny. Manao tohivakana ihany koa ny fanampiana ireo traboina, saingy tsikaritra hatramin’ny omaly fa efa misy mivarotra sahady eny amin’ny tsenan’i Vorodamba eny Isotry ireo entana avy amin’ireo mpanome fanampiana. Tsy misy laminasa mazava sy maty paika hoentina mitantana ny fanampiana ireo traboina. Tsy fantatra rahateo intsony koa amin’izao izay tena traboina satria misy amin’izy ireo no manararaotra ny fahavoazan’ny hafa toy izao ka mody mialokaloka sy miafina ao ambadiky ny hoe traboina. Hitady aza hatao mainka fa misy fanampiana manatona fotsiny toy izao. Na eo aza ny fisian’ireo tompon’andraikitra isam-pokontany mandray ny anaran’ireo olona traboina any amin’ireny faritra iva ireny, misy ihany ireo mahita lalana hafa ka mody milaza koa fa isan’ireo traboina. Fotoana izao tokony handraisan’ny fanjakana fanapahan-kevitra amin’ny hanadiovana iny faritra La Réunion Kely iny. Maro ny faritra midadasika eto Madagasikara azo hanaovana tetikasa sy hamindrana ireo mponina sahirana amin’iny faritra iny. Zary lasa ataon’ny mpanao politika kilalao sy atao tohatra hakana seza fotsiny ny ankamaroan’ireo vahoaka sahirana eny amin’ireny faritra iva ireny. Rehefa tonga eo amin’ny fitondrana anefa hadino tanteraka na ny midina amin’ireny faritra iva ireny.

J.C / Sary : Fanou

 

Les commentaires sont fermées.