Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Sakiss dance », « soukouss »… : manajary mozika mafana ny 3 ISAN-100

« Sakiss dance », « soukouss »…  : manajary mozika mafana ny 3 ISAN-100

« Madama manjamanja », sanganasan’ny tarika 3 ISAN-100 anisan’ny tsy afaka am-bavan’ny maro. Nomarihan’i Brown, mpamorona ny vazon’ity tarika manana ny maha izy azy ity, fa mirona bebe kokoa amin’ny fanajariana mozika mafana toy ny “sakiss dance” na ny “soukouss”, ankehitriny, i Mamy sy i Naina ary i Rija, izy ireo mandrafitra ny tarika amin’izao fotoana izao.

Fantatra fa naka bahana tamin’ny famoronana vazo vaovao toy ny “Mihanahana” sy ny maro hafa ny tarika 3 ISAN-100, sady eo an-dalam-piketrehana seho goavana be eto Analamanga tsy ho ela intsony. Hivoaka amin’ity taona ity ihany koa ny kapila mangirana “Best of” sy ny vazo hahenoana fampiaraham-peo amin’ilay mpanakanto andriambavilanitra mpiangaly kilalaky “Tsiky jolie” avy any atsimon’ny Nosy.

Raha tsiahivina, teraka tamin’ny taona 2000 ny tarika 3 ISAN-100. Nampita hafatra tamina tononkira mivantana narafitra tamina voambolana notrandrahina tany anivon’ny fiarahamonina.

Nangonin’i HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.