Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nandresy ny mpiasa : nahazo tale vaovao ny CNTS

Nandresy ny mpiasa  : nahazo tale vaovao ny CNTS

Voatendry ho talen’ny foibem-pirenena misahana ny famindrana ra (sy fitehirizan-dra) CNTS, ao amin’ny HJRA, Randriamanantany ZelyArivelo, araka ny filankevitry ny minisitra ny alakamisy lasa teo. Nisolo ny tale teo aloha ny dokotera Herisoa Fortunée, ny tenany vokatry ny fitakin’ny mpiasa. Voalazan’ireto farany fa misy ny tsy mangarahara eo amin’ny fitantanana ka mitaky ny fanesorana ny tale izy ireo. Nahazo fahafaham-po ny mpiasa amin’ny fitakiana voalohany aloha fa miandry ny fanatanterahana ny faharoa, fizarana ny « prime de rendement » nanomboka ny taona 2012 no ho mankaty. Nisy ny « audit » nanomboka tamin’ity herinandro ity ka izao nivoaka izao ny didy fanovana ny mpitantana voalohany.

Vonjy

Les commentaires sont fermées.