Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – «Can 2019» : mitaky «prime de match» i Abel Anicet

Kitra – «Can 2019»  : mitaky «prime de match» i Abel Anicet

 Mpilalao 15 avy any ivelany ary 18 avy eto an-toerana. Ireo no mandrafitra ny Barea de Madagascar, hiatrika ny fifanintsanana ho an’ny “Can 2019” sy ny “Chan 2018”. Tsy ao anatin’ireo i Abel Anicet. 

Mpilalao 33 mirahalahy no nantsoin’i Nicolas Dupuis sy i Raux Auguste, handrafitra ny Barea de Madagascar, amin’ny fiatrehana ny lalao hiadian-toerana amin’ny “Can 2019” sy ny “Chan 2018”. Tsy anisan’ireo ao anaty lisitra Andrianantenaina Abel Anicet. Mitaky fepetra maro mantsy ity mpilalao mila ravinahitra ao amin’ny Ludogoretz, any Bulgarie, ity, araka ny nambaran’ny tale teknika nasionaly, izay nanamarika fa misy ihany ny omena azy ireo fa mety tsy mahafa-po an’i Abel Anicet angamba.

Anisan’izany ny fipetrahana amin’ny hotely kintana telo na efatra, rehefa tonga eto Madagasikara fa tsy amin’ny trano tsotra. Eo koa ny “prime de match”, amin’ny fihaonana atao. Na izany aza, nilaza tamin’ny mpanazatra ny tenany fa raha tafita amin’ny dingana manaraka ny Barea, vonona izy ny hanatevin-daharana indray.

Ankoatra azy, misy ireo mpila ravinahitra mbola mikarakara ny taratasy hahafahany milalao ao amin’ny Barea, toa an’i Dabo Ibrahim sy i Thomas Fontaine ary i Zotsara. Eo koa ireo maratra ka mety tsy ho avy toa an’i Mamy Gervais sy i Albert  ary i Ibrahim Amada.

 

“Expatriés” sy Cnaps Sport

Hiatrika ny lalao mandroso amin’i Sao Tomé et Principe, any amin’ny kianja Estadio Nacional 12 de Julho, ny Barea, ny 22 marsa ho avy izao. Hanao izany fihaonana izany, araka ny fantatra,  ireo mpilalao avy any ivelany, miampy ireo avy amin’ny Cnaps Sport, izay manana ny toe-batana feno ankehitriny.

Omena sehatra kosa ireo mpilalao avy eto an-toerana amin’ny fihaonana miverina, hatao ny alahady 26 marsa izao etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina, hanomanana ny Chan, hifandonana amin’i Malawi ny 20 avrily izao. Nomarihin’ny tale teknika nasionaly fa safidy malalaka avy amin’ireo mpanazatra mirahalahy, i Nicolas Dupuis sy i Raux Auguste, ny nifantenana ireo mpilalao rehetra.

 

Tompondaka /Sary : Fano

 

Ireo mpilalao mpila ravinahitra  

 

Mpiandry tsatoby : 1-Dabo Ibrahim (US Créteil)

Vodilaharana : 2-Toavina (Deba kely) (US Tourcoing) ; 3-Fontaine Thomas (Clérmont Foot) ; 4-Bapasy (Arras FC) ; 5-Mamy Gervais (JS St Pierroise) ; 6-Dupray Jordan (US Lege Cap Ferret) ; 7-Albert (OGC Nice)

Irakiraka : 8-Jean-Stéphan (Dada) – (Red Star) ; 9-Amada Ibrahim (ES Setif) ; 10-Zotsara (RE Virton) ; 11-Dafé (RC Fléchois)

Lohalaharana : 12-Rinjala (FC Sion) ; 13-Carolus (USM Alger) ; 14-Faneva Ima (FC Sochaux) ; 15-Voavy Paulin (Makasa SC)

 

Les commentaires sont fermées.