Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fisavana : henjehina ireo polisy manaraka kamiao

Fisavana  : henjehina ireo polisy manaraka kamiao

Efa misy rafitra mipetraka ho fisorohana ny fandikan-dalàna ataon’ireo mpitondra kamiaobe mifamezivezy eto an-dRenivohitra. Tsy misy afa-tsy ny fanarahan-dalàna ihany. Tsy misy polisy mahazo manaraka sy miambina ireny kamiaobe ireny intsony. Tsy maintsy henjehina izay polisy tratra manaraka ireny kamiaobe ireny. Tsy maintsy manaja ny ora hahafahany mivezivezy ny kamiaobe rehetra”, hoy ny lehiben’ny Commissariat Central, ny kaomisera Tsaramonina Ravony, omaly teny Ambohimangakely nandritra ny fihaonana teo amin’ny polisy sy fikambanan’ireo mpitatitra entana amin’ny kamiaobe.

Niara-nivory araka izany ireo fikambanan’ny mpitatitra entana amin’ny kamiaobe sy ireo polisy amin’ny boriborintany valo eto an-dRenivohitra izay notarihin’ny kaomisera Tsaramonina Ravony. Nifantoka tamin’ny lafiny fanatsarana ny fifamoivoizan’ny kamiaobe eto an-dRenivohitra manoloana ny ora hahafahan’izy ireo mivezivezy ny fivoriana, omaly. Nangataka ny filoha nasionalin’ny fikambanana mba ho jerena manokana ny fisavana ireo kamiaobe mifamezivezy mba hahamora ny fifamoivoizana sy tsy hahavoatazona ela isaky ny fisavana. Nanamafy  hatrany anefa ny polisy fa ny lalàna no hampiharin’izy ireo eo am-panatanterahana ny asa. Tokony hanaraka ny lalàna efa napetraka eo amin’ny ora hahafahana mivezivezy eto an-dRenivohitra koa ny tompon’ireny kamiaobe ireny, araka ny fanazavana hatrany.

J.C / Sary : Fanou

Les commentaires sont fermées.