Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fifaninanana vehivavy mizaka tena : voalohany ny fikambanana Ampela Miray Asa

Fifaninanana vehivavy mizaka tena : voalohany ny fikambanana Ampela Miray Asa

Nibata ny fandresena tamin’ny fifaninanana vehivavy mizaka tena ara-toekarena ny fikambanana Ampela Miray Asa, avy any Ambovombe Androy. Azony ny lelavola 20 tapitrisa Ar izay entina hanatanterahany ny  tetikasa fanitarana ny toerana fambolena zanakazo any Androy.

Efa niorina tamin’ny taona 2007 ny fikambanana. Maherin’ny 3.000 isan-taona ireo zanakazo novokarina. Mihevitra ny hividy paompy fanondrahana izay mihodina amin’ny alalan’ny angovo azo avy amin’ny masoandro ny fikambanana.

Nilaza Ramatoa Avisoa Aimée Rambesy, filohan’ity fikambanana ity fa sarotra ny mamboly hazo fihinam-boa raha vao tsy ampy rano any atsimon’ny Nosy, noho ny toetr’andro mafana loatra. Mikasa ny hanitatra ny fambolena zanakazo hatrany Tsihombe sy Beloha ary Antanimora izy ireo.

Mpandresy faharoa ny fikambanana Jeudi des Femmes Entrepreneures avy eto Antananarivo, izay nahazo 10 tapitrisa Ar. Nitondra ny tetikasa fampiasana taratasy hanamboarana kitapo na fonosana izy ireo. Misy ny famoronan’asa ho an’ny tanora ao anatin’izany. Eo koa ny fiarovana ny tontolo iainana sy fampahaleovan-tena ny vehivavy.

Nahazo ny laharana fahatelo kosa ny Fiama avy any Analalava, ka nahazo ny loka 5 tapitrisa Ar. Nampiavaka azy ireo ny famarotana sy fanodinana hazandranomasina ho “filet de poisson“. Hiezaka ny hividy vata fampangatsiahana sy fitaovana manara-penitra izy ireo hanatsarana sy hampitomboana ny vokatra.

Nahazo 1 tapitrisa Ar tsirairay, avy amin-dRamatoa vadin’ny filoham-pirenena ireo mpifaninana 15 ambiny rehetra.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.