Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fahasalamana : hametraka paikady ny SisFM

Fahasalamana : hametraka paikady ny SisFM

 « Anisan’ny fandaharam-potoanay amin’ity taona ity ny hanaovana ny filankevi-pirenena, hatao rahampitso (anio) etsy amin’ny HJRA Ampefiloha. Hotapahina amin’io ny tetikasa sy ny paikady manaraka. Tafiditra ao anatin’izany ny hetsika fananganana ny tranoben’ny Paramed », hoy ny filohan’ny Sendikàn’ny « infirmier » sy mpampivelona (SisFM), Rakotondrazafy Aimé, omaly teny Andoharanofotsy. Nifampiarahaba noho ny taona vaovao izy ireo ary samy  nahatonga solontena tamin’izany avokoa ny faritra 22. Anisan’ny horesahina amin’izao filankevi-pirenena izao koa ny fanomanana ny kongresy hatao amin’ny volana aogositra, hotanterahina any Taolagnaro.

Na izany aza, anisan’ny olana ho an’ireto eo anivon’ny Paramed ireto ny tsy filaminana sy tsy fandriampahalemana any amin’ny faritra lavitra any. Ao ny fanafihan-dahalo eny an-dalana na koa ny fanahiana amin’ny fiasana alina rehefa misy miantso. « Tsy maintsy mandao ny toerana tahaka izany izahay… Miantso izahay ny tokony hiarovana ny vahoaka sy ireny iraky ny fanjakana ireny », hoy ihany ny filohan’ny SisFM. Momba ny fitakiana samihafa nataon’izy ireo kosa, nambarany fa efa mandeha ny fifampiraharahana ka ho hita eo izany.

Tsiahivina fa 1 200 ireto mpikamban’ity sendikà iray ity.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.