Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Basikety : hihaona ny TMBB sy ny Ascut 2

Basikety  : hihaona ny TMBB sy ny Ascut 2

Tontosa, omaly zoma tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ny lalao ampahavalon-dalana amin’ny fiadiana ny «Amboaran’ny filoha», taranja basikety ho an’ny faritra afovoany. Nahatafita ekipa roa amin’ny manasa-dalana ny ligin’Analamanga : ny TMBB sy ny MB 2 All 1. Iray avy kosa ny an’ny ligin’Atsinanana, ny Ascut 2, raha ny Fanalamanga avy amin’Alaotra Mangoro.

Hifandona eo amin’ny manasa-dalana, amin’ity asabotsy ity,  ny TMBB sy ny Ascut 2 ary ny MB2 All kosa, hifanazava amin’ny Fanalamanga. Hangotraka avokoa ireo fihaonana ireo satria hifanehatra ny samy sangany.

Raha ny vokatra omaly, nomontsanin’ny TMBB, tamin’ny isa mazava, 129 no ho 60, ny Tac BB Analamanga. Tsy nahatohitra ny fahaiza-manao teo amin’ireo mpilalaon’ny TMBB mihitsy ny Tac BB. Tamin’ny isa 75 no ho 51 kosa ny nanilihan’ny MB 2 All ny ECBBA Analamanga. Ny Ascut 2 indray, nandavo ny USBA Analamanga, tamin’ny isa 85 no ho 55 ary Fanalamanga, nanilika ny Ankarana, tamin’ny isa 83 no ho 63. Tsiahivina fa mpanohana ity lalao hiadiana ny “Amboaran’ny filoha” ity ny orinasan-tserasera Telma Malagasy.

 

Torcelin /Sary : Mamiherson

Les commentaires sont fermées.