Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Andron’ny 8 marsa : nanao asa sosialy ny VMMM

Andron’ny 8 marsa  : nanao asa sosialy ny VMMM

Nomarihina sy nankalazaina tamin’ny alalan’ny asa sosialy ny Andro maneran-tany ho an’ny vehivavy, ny 8 marsa teo ho an’ny Vehivavy Malagasy miara-miaiga (VMMM). Nanolotra fitaratra sy nametaka ary nanadio izany ho an’ny EPP Andraravola, kaominina Ankadinandriana, izy ireo tamin’izany. Mahatsapa izy ireo  fa ny fianarana no lova tsara indrindra.  Nialoha izany anefa, nanamboatra lalankely eny Mahatsara, kaominina  Ambohimanambola, koa izy ireo ny 5 marsa lasa teo. “Miainga eny ifotony ny fampandrosoana… Zava-dehibe ny ezaka efa nataon’ireto mpiara-belona ka nanolotra fasika sy vato ary simenitra ho fanohanana azy ireo ny Fikambanana VMMM”, hoy ireo nandaha-teny. Nitarika ireo hetsika roa samy hafa ireo hatrany ny filoha nasionalin’ny VMMM, Andrianainarivelo Tantely.

Tsiahivina fa anisan’ny ahafantarana ny VMMM ny  fanampiana sy fanohanana ireo mpianatra miaraka amin’ireo ray aman-dreny, amin’ny fivarotana kojakojam-pianarana amin’ny vidiny mirary isan-taona. Eo koa ny masomboly ho an’ny tantsaha, ankoatra ny asa sosialy efa fanaon’izy ireo.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.