Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sahotaka teny Amboditsiry… : ny fantaka manodidina no may fa tsy ny tranon-dRainilaiarivony

Sahotaka teny Amboditsiry… : ny fantaka manodidina no may fa tsy ny tranon-dRainilaiarivony

Niteraka horohoro sy tebiteby ho an’ireo mponina teny Amboditsiry sy ny manodidina ilay firehetana tao amin’ny faritra misy ny tranon-dRainilaiarivony, omaly hariva. Samy nanana ny filazany ny olona, tao ireo nilaza fa may ny tranon-dRainilaiarivony, nisy kosa ireo nilaza fa trano hafa indray no may kilan’ny afo. Voamarina anefa tamin’ny farany fa tsy araka ny fieritreretan’ny maro azy hoe ny tranon’ny Praiminisitra Rainilaiarivony no may fa ireo fantaka sy hazo manodidina ity vakoka ity. Nalaky ny fahatongavan’ny mpamonjy voina namono ny afo teny an-toerana, omaly hariva. Hatreto aloha tsy fantatra marina izay nahatonga ny firehetana fa ny afo efa nirehitra nahazo ireo fantaka manodidina no nampikoropaka ny olona. Tsiahivina fa efa may toy izao koa ireto fantaka ireto tamin’ny taon-dasa izay niteraka tebiteby tamin’ireo mponina teny Amboditsiry. Nalaky voavonjy ihany anefa ny afo ka tsy niitatra tamin’ity vakoka manan-tantara ity.

J.C / Sary : Tiana R.

Les commentaires sont fermées.