Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Ny vehivavy sy ny fitiavan-tanindrazana » : hankalaza ny 8 marsa ny Havatsa sy ny AIFM

« Ny vehivavy sy ny fitiavan-tanindrazana »  : hankalaza ny 8 marsa ny Havatsa sy ny AIFM

Tononkalo sy hira ! 8 marsa, « Andro eran-tany ho an’ny vehivavy ». Hankalaza io vanim-potoana io ny fikambanana Havatsa-Upem sy ny Alliance internationale des femmes de France et Madagascar (AIFM). « Ny vehivavy sy ny fitiavan-tanindrazana », lohahevitra haseho amin’ny alalan’ny hira bagasy hiarahana amin’ny tarika Tafasiry Kolokanto avy ao amin’ny ENS Ampefiloha sy antsa tononkalo tontosain’ny mpikambana ao amin’ny Havatsa-Upem. Hetsika hotanterahina ao amin’ny Tahala Rarihasina Analakely ny tolakandron’ny alarobia 8 marsa izao manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. « Hiavaka mihitsy ity indray maka ity satria tsy hisy ny velakevitra toy ny nahazatra hatramin’izay fa hianoka ao anatin’ny kalon’ny fahiny sy ny tononkalo ny olona rehetra ho tonga eny an-toerana », hoy i Hajaina, filohan’ny Havatsa-Upem.

Anisan’ny tononkalo hantsaina amin’io andro io ny sanganasan’i Clarisse Ratsifandrihamanana, Di…, I P Andriamangatiana, Ranjatohery Harilala, Hajaina, sns.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.