
“Mpiasam-bahoaka ny polisy ka natao hanompo ny vahoaka fa tsy ny mifanohitra amin’izany. Ilaina ny fahaiza-miaina eny anivon’ny fiaraha-monina indrindra ny fiaraha-mientana eo amin’ny polisy rehetra mba hanao ny asany araka ny lalàna, amin’ny fanajana ny fitsipi-pifehezana sy ny soatoavina maha polisy”, hoy ny fanazavan’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny contrôleur général de police, Andrianisa Mamy Jean Jacques raha nanome toromarika sy hafatrafatra ho an’ireo polisy miasa eny amin’ny foibem-pitantanan’ny polisim-pirenena Anosy, omaly nandritra ny fananganan-tsaina. Nohantitranteriny hatrany ny hisian’ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny vahoaka sy ny polisim-pirenena mba hisorohana amin’ireny zava-nitranga farany tany Befandriana Avaratra ireny. Nasiany resaka manokana momba ny raharaha Befandriana Avaratra. Misy ireo olona efa natolotra ny fitsarana any Antsohihy ka niafara tamin’ny fampidirana am-ponja ireo olona dimy voarohirohy momba ilay fitsaram-bahoaka nahafatesana polisy. Momba ny doro trano kosa indray, efa mandeha ny famotorana momba ity raharaha ity.
J.C
Les commentaires sont fermées.