Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanondranana ny hena : nomena fiofanana ny mpiompy any Boeny

Fanondranana ny hena  : nomena fiofanana ny mpiompy any Boeny

Notanterahina tany Mahajanga ny 24 sy 25 febroary 2017 ny atrikasa ho fanatsarana ny fiompiana sy ny fanondranana ny henam-biby ary ho fanamafisana ny fahaiza-manao amin’ny fiarovana ny fahasalaman’ny biby.  Nandray anjara tamin’izany ny foibem-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana, ny foibem-paritry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny fivondronan’ny mpanondrana harena an-dranomasina.

Nandritra io roa andro io, nampahalalana ireo mpizaika ny lalàna mifehy ny kalitaon-tsakafo, ny aretina mifindra mpahazo ny biby ary ireo aretina mpahazo ny biby ahina hifindra amin’ny olombelona. Vita iny atrikasa iny, hisy ny fizarana solosaina miisa 50 ho an’ireo mpizaika mba hanamorana ny asan’izy ireo eto anivon’ny faritra Boeny sy hahazoan’izy ireo tombontsoa amin’izany sehatry ny fiompiana biby sy fanondranana ny hena azo avy aminy izany.

Tonga nanatrika sy nanokatra ny fotoana ny solontenan’ny lehiben’ny faritra Boeny, ny Talem-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana ary  ny solontenan’ny Talem-paritry ny Fambolena sy ny Fiompiana avy ao Boeny. Tompon’antoka nahatontosana izany ny tetikasa Santatra, izay mahazo famatsiam-bola avy amin’ny Vondrona Eoropeanina.

Natao ihany koa iny atrikasa hisarihana ny sain’ny tanora hitodika any amin’ny fambolena sy ny fiompiana manara-penitra. Misy hatrany ny mpanohana rehefa mivonona ho matihanina.

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.