Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Avy amin’ny Firenena mikambana : nahazo 41 tapitrisa dolara ny fahasalamana sy ny rano

Avy amin’ny Firenena mikambana  : nahazo 41 tapitrisa dolara ny fahasalamana sy ny rano

Natao, omaly teny Antaninarenina, ny fanaovan-tsonia ny fiaraha-miasan’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana sy ny minisiteran’ny Fahasalamana ary ny minisiteran’ny Rano ho an’ny taona 2017.

Mahatratra 41 094 745 dolara ny sorabola hampiasaina ho an’ny fahasalamana sy ny rano, fidiovana ary fahadiovana. Mpiray ombon’antoka voalohany amin’ny fanatsarana ny fahasalamam-bahoaka ny Unicef (mikarakara ny zaza), UNFPA (misahana ny mponina), OMS (miompana amin’ny fahasalamana) ary ny ONU Sida miaraka amin’ny mnisitera mpanatanteraka. Ho an’ny fahasalamana, 18 tapitrisa dolara (amin’ny 27 974 745 dolara ho an’ny fahasalamana) ny vola efa vonona hanatanterahana ny asa, manodidina ny 71 347 dolara ny anjaran’ny fanjakana malagasy ao anatin’izay, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Fahasalamana, Andriamanarivo Lalatiana. Sehatra dimy no tena iompanan’ny fandraisana andraikitra, fahasalaman’ny reny sy ny zaza, fanohanana ny any atsimo rehefa hamehana, fanatsarana ny rafi-pahasalamana, fananahana ara-pahasalamana ary ny fikarakarana ny areti-mifindra samihafa sy ny aretina hafa amin’ny fanaraha-maso ny fivoarany. « 60 ny asa hotanterahina amin’ity taona ity ka laharam-pahamehana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza », hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fahasalamana, Ratsirarson Joséa.

 

Haompana amin’ny fampidiran-drano any atsimo

Ho an’ny minisiteran’ny Rano, asa maika sady goavana ny fampidiran-drano any atsimo izay iompanan’ny ankamaroan’ny tohana ara-bola. Mpiara-miasa amin’ny minisitera ny Unicef sy ny OMS. « Andraikitra lehibe koa ny fanafoanana ny fanaovana maloto ankalamanjana izay mbola mampirongatra ny valan’aretina maro », hoy ny minisitry ny Rano, Ravatomanga Rolland.

Vonjy A.  

Les commentaires sont fermées.