Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Resaky ny mpitsimpona akotry : zarazarao samy hanana

Sentosento sisa ny an’ireo havana sy naman’ilay mpanakanto voafonja izay tsy nahazo fahafahana vonjimaika eo am-piandrasana ny didim-pitsarana momba ilay resaka fanalam-baraka iampangana azy. Na voarara aza no mitsara didim-pitsarana, zon’izay tsy mankato an’izany ny maneho ny alahelony vokatry ny  fanapahan’ny mpitsara. Any anivon’ny fiarahamonina mitsitokotoko isam-paritra, eny amin’ny tanàna dia tsy ilaozan’ny resaka ifanaovan’ny mponina manodidina ny didy noraisin’ny fitsarana mikasika raharaha akaiky azy ireo tsirairay ary eo amin’ny ankapoben’ny fiarahamonina eto amin’ny firenena dia miparitaka ny akon’ny hevitra mifono fitsarana ny Fitsarana. Azo deraina ireo tsy mirona any amin’ny fanakorontanana na any amin’ny fanaovana herisetra. Na hita aza fa efa kely ny fahatokisana tavela ankinina amin’ny Fitsarana. Tsy hay raràna na homelohina kosa ny fanehoana alahelo sy hatezerana avy amin’ireo mihevitra azy ho voafitaky ny rariny.

Ilay raharaha nampidirana am-ponja an’ilay mpanakanto moa nampisahotakotaka sain’ny maro ary nahavelon-tsento olona marobe raha nitohy ny fitazonana any an-tranomaizina an’ilay voampanga. Be ny mpandotso nefa azo eritreretina ho diso làlana ihany ny fanararaotana izany fisehon-draharaha izany raha mijanona eo amin’ny fizakan’io olona irery io ny fitsikerana ny fomba samy hafa izay entina anaovana famoretana tsy an-drariny. Dia ny maha olona malaza azy ve dia ampy anaovana rariny ny fampandotsoana hampientanentana ny mponina. Ao Antanimora, aman-jatony ireo olona efa miandry amam-bolana tsy vitan’ny hoe fitsarana azy fa na ny fanadihadiana lalina ny anton’ny fiampangana azy aza dia mbola tsy misy tokontaniny. Raha ny fisarihana ny sain’ny mponina handinika ny fikatson’ny Fitsarana sy ny fivilavilan’ny rariny no tanjona eo amin’ny fanararaotana ny tranga midona amin’ny olona manana ny lazany, dia arahaba soa. Maro ireo mizaka anjara mahery setra mendrika sentosento sy fitserana, na atao aza fa any am-ponja dia mety ho maro noho ireo voampanga tsy an-drariny ho nangala-paiso na nangalatra akoho ireo tena nahavita asa maha meloka. Ny lalàna velona manambara mazava  fa alohan’ny famoahana ny didim-pitsarana izay mety hilaza ny fahamelohana dia miaro ny olona tsirairay voampanga ny fiheverana azy ho madio tsy nanefa an’ilay heloka na inona na inona vesatry ny ahiahy noho ny fijoroana vavolombelona sy fandrosoana porofo. Manana ny lanjany izany fa tsy mahefa raha tsy voalanjalanjan’ny mpitsara ho anisan’ny antony ho fototry ny didy apetrany.

Léo Raz

 

Les commentaires sont fermées.