Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fitantanana : naato amin’ny asany ny ben’ny Tanànan’i Mahajanga

Fitantanana  : naato amin’ny asany ny ben’ny Tanànan’i Mahajanga

Ahiana ho saro-toerana. « Nolanin’ny mpanolotsain’ny Tanàna miisa 8 amin’ny 18 ny hampiatoana ny ben’ny Tanàna amin’ny asany. Fito kosa ireo nitsipaka izany. Tanàna fahatelo taorian’ny tany Antsiranana sy Antsirabe iharan’izany ny eto Mahajanga », hoy ny ben’ny Tanànan’i Mahajanga, Andriantomanga Mokhtar,  ny talata teo. Voalazany fa anisan’ny antony fampiatoana azy, ireo teboka sivy nangatahana fanazavana  aminy. Anisan’izany ny fahataran’ny fanomezana ireo mpanolotsaina ny momba ny tetibola 2017. Eo koa ny fifanarahana amin’ny Telma amin’ny fandoavana ny hetra sy haba amin’ny alalan’ny M’vola. Ny momba ny Bajaj ahitana ireo efa nandoa vola sy ny vola niditra.  Ny fanomezana solika sy fahana finday azy ireo, sy ny fampiasana ny tanim-panjakana natokana ho an’ny vahoaka. Ny momba ny karaman’ny mpiasa, ny fandoavana ireo latsakemboka sosialy sy ny fampiakarana ny karama sasany. Ny haba sy hetra alain’ny Jirama amin’ny mpanjifa,tokony hiditra amin’ny kitapom-bolan’ny kaominina.

Manampy ireo, ny momba ny fiarakodia nomen’ny fanjakana tiorka, nomena ny kaominina ve sa nomena an’Andriantomanga Mokhtar, amin’ny maha Ben’ny tanàna azy.

Na izany aza anefa, anisan’ireo mpitantana eny ifotony mendrika sy nahazo fankasitrahana manokana avy amin’ny mpamatsy vola noho ny fametrahana ny fanjakana tsara tantana ny ben’ny Tanàna, Andriantomanga Mokhtar. Anisan’ny nampisongadina azy ny fampidiran-ketra sy ny fitantanam-bolan’ny kaominina.

Miseho izany, andro vitsy aty aorian’ny nandalovan’ny filoha Rajaonarimampianina tany an-toerana. Araka izany, andrasana ny ho tohin’ny raharaha.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.