Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiainana antoko : nanaporofo ny tanjany ny Tim

Fiainana antoko  : nanaporofo ny tanjany ny Tim

Nanao valandresaka hoan’ny mpanao gazety, tao Bel’air, ny filoha nasionalin’ny antoko Tim, Ravalomanana Marc, omaly. Nanamafy ny filatsahan-kofidina amin’ny fifidianana ny taona 2018 ny tenany. Nilaza ny sekretera jeneralin’ny antoko, Andriamahefaparany Donat, fa manana traikefa hanala an’i Madagasikara ao anaty krizy toy ny nitranga tamin’ny 2002 ny filoha Ravalomanana. « Voaporofo eran-tany nanomboka ny 2002-2009, fa vanim-potoana niakaran’ny toekarena ambony indrindra teto ireo taona ireo. Noho izany, mangataka ny firotsahanao hofidiana izahay hanalana an’i Madagasikara anaty krizy », hoy izy. Nanamafy kosa ny depiote, ny Me Razafimanantsoa Hanitra fa fitsarana tsy mahefa ny nitsarana ny mpanorina ny Tim. « Vonona handray fahefana isika », hoy izy. Nanome toromarika ho an’ireo mpiara-dia aminy sy ireo fikambanana maro kosa Ravalomanana avy eo. « Nanome azy ireo ny paikady sy toromarika mba tsy ho sanatria ny vava hoentim-po sy hihoa-pefy na amin’ny fihetsika na amin’ny teny no haseho fa tokony hanome modely mandrakariva. Tokony hanana firaisankina sy hampiseho hery sy tanjaka eto amin’ny tanànan’Antananarivo isika », hoy izy tamin’ny mpanao gazety.

Nanotrona azy ny ben’ny Tanànan’Antananarivo sy ireo depiote ary ny mpikambana ao anatin’ny birao politika Tim.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.